Exodus 19:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona ianao ka hiteny hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao an-tendrombohitra na hikasika ny sisiny akory aza. Fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Asio faritra manodidina ka lazao hoe: Tandremo mba tsy hiakatra ny tendrombohitra ianareo, na hikasika ny sisiny akory, fa hatao maty izay mikasika ny tendrombohitra, na iza na iza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farito ny manodidina ny tendrombohitra, ka asaovy mitandrina ny olona mba tsy hianika ny tendrombohitra na hanatona ny sisiny akory, fa izay rehetra manatona ny tendrombohitra dia hatao maty.
Malagasy Bible 1865
Dia hanisy fefy manodidina ho an'ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin'ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanisy fefy manodidina ho an’ny olona ianao ka hiteny hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao an-tendrombohitra na hikasika ny sisiny akory aza. Fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty.
malagasy