Exodus 19:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hisy tanana hikasika azy fa hotoraham-bato tokoa, na hotifirina tsipìka tokoa, na biby na olona, ary tsy mba hovelomina. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara, vao hiakatra ho ao an-tendrombohitra ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hokasihin-tanana io, fa hotoraham-bato na hotrobarana ny zana-tsipîka: na biby na olona izy tsy azo velomina. Rehefa maneno ny trômpetra dia hiakatra ho eo an-tendrombohitra izy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy havela ho velona na olona na biby; ary tsy hokasihina akory izy fa hotoraham-bato na hasiana tsipîka. Fa rehefa maneno ny anjombona, vao mahazo miakatra eny an-tendrombohitra ny olona sasany.
Malagasy Bible 1865
tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin'ny tendrombohitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hisy tanana hikasika azy fa hotoraham-bato tokoa, na hotifirina tsipìka tokoa, na biby na olona, ary tsy mba hovelomina. Rehefa manao feo lavareny ny anjomara, vao hiakatra ho ao an-tendrombohitra ny olona.
malagasy