Exodus 19:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nidina avy any an-tendrombohitra i Môizy nankeo amin’ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nidina avy tao an-tendrombohitra ho eny amin’ny vahoaka indray i Mosesy. Nasainy nanoman-tena sy nanasa ny fitafiany ireo.
Malagasy Bible 1865
Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nidina avy tao an-tendrombohitra i Mosesy ka nankeny amin’ny olona; ary nanamasina azy izy ka samy nanasa ny fitafiany ny olona.
malagasy
Dia nidina avy tao amin'ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin'ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.