Exodus 19:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny marainan’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra; nisy koa feon’anjomara mafy dia mafy ka toran-kovitra ny olona rehetra izay teo amin’ny toby.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony marainan’ny andro fahatelo, dia nisy kotroka aman-tsela-baratra ary rahona matevina tao an-tendrombohitra, ary nisy feon’ny anjomara mafy nitatatata, ka tera-kovitra ny vahoaka rehetra teo an-toby.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony afakampitso, vao maraina be, dia nisy kotro-baratra sy tselatra ary rahona matevina teny an-tendrombohitra. Injany nisy feon’anjomara naneno mafy; koa tora-kovitra ny vahoaka rehetra tao an-toby.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny marain'ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin'ny tendrombohitra, ary nisy feon'anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny marainan’ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo amin’ny tendrombohitra; nisy koa feon’anjomara mafy dia mafy ka toran-kovitra ny olona rehetra izay teo amin’ny toby.
malagasy