Exodus 19:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tendrombohitra Sinay manontolo dia nivoa-tsetroka satria NY TOMPO nidina teo amboniny tao anaty afo; niakatra tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay manontolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivoa-tsetroka ny tendrombohitra Sinaia manontolo, satria tanaty afo no nidinan’i Iaveh nankeo amboniny, ka nipololotra toy ny avy amin’ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihovotrovotra iray ihany ny tendrombohitra manontolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nidona-tsetroka ny tendrombohitra Sinay satria tanaty afo no nidinan’ny TOMPO nankeo amboniny; ary ny setroka dia niakatra toy ny avy ao amin’ny lafaoro lehibe ka nihovitrovitra ny tendrombohitra manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tendrombohitra Sinay manontolo dia nivoa-tsetroka satria NY TOMPO nidina teo amboniny tao anaty afo; niakatra tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay manontolo.
malagasy