Exodus 19:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aoka koa ny mpisorona izay manakaiky NY TOMPO hanamasina ny tenany, fandrao hamely azy tampoka NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na ny mpisorona manatona an’i Iaveh aza, aoka hanamasin-tena fandrao vonoin’i Iaveh».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia ny mpisorona izay mahazo manatona AHY aza dia tsy maintsy hanoman-tena fandrao mahafaty azy AHO.
Malagasy Bible 1865
Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aoka koa ny mpisorona izay manakaiky NY TOMPO hanamasina ny tenany, fandrao hamely azy tampoka NY TOMPO.
malagasy
Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an'i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.