Exodus 19:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka indray namaly ny vahoaka nanao hoe: «Hataonay avokoa izay rehetra voalazan’i Iaveh.» Dia lasa i Môizy nitondra ny tenin’ny vahoaka tany amin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Namaly indray miredona ny vahoaka manontolo nanao hoe: –Izay rehetra nandidian’ny TOMPO dia hataonay! Dia notaterin’i Mosesy tamin’ny TOMPO ny valin-tenin’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia indray miredona namaly ny olona rehetra ka niteny hoe: Izay teny rehetra nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay. Ary noentin’i Mosesy tany amin’NY TOMPO kosa ny tenin’ny olona.
malagasy
Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin'i Mosesy tao amin'i Jehovah kosa ny tenin'ny olona.