Exodus 19:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina Aho, mba ho ren’ny olona Aho raha miteny aminao ka hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’NY TOMPO ny tenin’ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro fa hankeo aminao ao anatin’ny rahona matevina Aho, mba ho ren’ny olona rehefa miteny aminao Aho, dia hinoany anao mandrakariva koa.» Ary nolazain’i Môizy tamin’i Iaveh ny tenin’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Indro hankeo aminao Aho, hiafina ao anatin’ny rahona matevina, mba handrenesan’ny Israelita Ahy miresaka aminao, ka hatokiany anao hatrany hatrany. Dia naverin’i Mosesy teo anatrehan’ny TOMPO ny valin-tenin’ny vahoaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy indray NY TOMPO tamin’i Mosesy: Indro, hankeo aminao ao anatin’ny rahona maizina Aho, mba ho ren’ny olona Aho raha miteny aminao ka hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’i Mosesy tamin’NY TOMPO ny tenin’ny olona.
malagasy
[Ny fiomanan'ny Zanak'Isiraely alohan'ny nanomezan'Andriamanitra azy ny Lalàna] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin'ny rahona maizina, mba ho ren'ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Jehovah ny tenin'ny olona.