Exodus 2:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa lehibe ny zaza dia noentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao ka tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy, fa hoy izy: Satria tamin’ny rano no nakako azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin’ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Môizy, fa «teo amin’ny rano no nanalako azy», hoy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’ny Farao, ka nanjary zanany. Dia hoy ity andriambavy hoe: –Antsoiko hoe Mosesy izy satria avy tamin’ny rano nisarihako azy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa lehibe ny zaza dia noentiny tao amin’ny zanakavavin’i Farao ka tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy, fa hoy izy: Satria tamin’ny rano no nakako azy.
malagasy
Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin'ny zanakavavin'i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin'ny rano no nangalako azy.