Exodus 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany andro izany, rehefa lehibe i Mosesy, dia nandeha nankany amin’ireo rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy ary nahita lehilahy ejiptiana nikapoka ny iray tamin’ny Hebreo rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany efa lehibe i Môizy, ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejiptianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, nony efa lehibe i Mosesy, dia niainga nankany amin’ireo mpiray firenena aminy ka nahita azy tao anatin’ny fanompoana mafy. Hitany fa nisy lehilahy ejiptianina iray nikapoka Hebreo iray isan’ny mpiray firenena aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany andro izany, rehefa lehibe i Mosesy, dia nandeha nankany amin’ireo rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy ary nahita lehilahy ejiptiana nikapoka ny iray tamin’ny Hebreo rahalahiny.
malagasy
[Ny nataon'i Mosesy hamonjeny ny namany, sy ny nandosirany nankany Midiana] Ary tamin'izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin'ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin'ny Hebreo rahalahiny.