Exodus 2:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Faraôna ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna, dia nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henon’ny Farao tokoa izany, koa notadiaviny hovonoina ho faty i Mosesy. Dia nandositra lavitry ny Farao i Mosesy, ka lasa nialokaloka tany amin’ny tany Midiana, ary nipetraka teo anilan’ny fantsakana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa ren'i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an'i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan'i Farao ka nonina tany amin'ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan'ny lavaka fantsakana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa ren’i Farao izany zavatra izany dia nitady hamono an’i Mosesy izy. Fa nandositra an’i Farao i Mosesy ka nonina tany amin’ny tany Midiana. Ary nipetraka teo anilan’ny lavaka fantsakana iray izy.
malagasy