Exodus 2:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taona maro taorianan’izany dia maty ny mpanjakan’i Ejipta; ary ny Zanak’Israely dia nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; dia niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tatỳ aoriana ela dia maty ny mpanjakan’i Ejipta. Nitoloko ny Israelita noho ny fanompoany ka niantso vonjy; ary tafakatra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoana.
Malagasy Bible 1865
Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taona maro taorianan’izany dia maty ny mpanjakan’i Ejipta; ary ny Zanak’Israely dia nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; dia niakatra tany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.
malagasy
[Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Mosesy, sy ny nanirahany azy hanafaka ny olony] Ary tao anatin'izany andro maro izany dia maty ny mpanjakan'i Egypta; ary ny Zanak'Isiraely nisento noho ny fanompoany ka nitaraina; ary niakatra tany amin'Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanompoany.