Exodus 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa tsy azony nafenina intsony dia naka vata kely zozoro izy ka nopetahany godorao sy dity ilay vata kely, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron’ny Neily ny vata kely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa tsy azony nafenina intsony dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy dinti-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany, rehefa tsy afa-nanafina azy intsony izy, dia naka sobika zozoro izay nohosorany dity mineraly sy ditin-kazo, dia napetrany tao ny zaza; ary tao anatin’izany sobika izany no nanaterany azy teny amoron’i Neily teo anivon’ny bararata.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary rehefa tsy azony nafenina intsony izy, dia nangalany fiara zozoro, ka nopetahany asfalta sy dity ny fiara, dia napetrany tao ny zaza; ary napetrany tao anaty zozoro teo amoron'i Neily ny fiara.