Exodus 2:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao amin’ny Neily fa ny mpanompovaviny dia nitsangantsangana teny amoron’ny Neily; koa raha nahita ilay vata kely teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy mba haka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nidina handro eo amin’ny ony ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony teny ny zazavavy namany. Rehefa tazany ilay vata tao anaty bararata dia nasainy nalain’ilay ankizy vaviny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taoriana kely dia nidina tao amin’i Neily mba handro ny zazavavin’ny Farao, ary ireo mpanotrona azy kosa nitsangantsangana teny amoron’ny ony. Nahatazana ilay sobika teo anivon’ny bararata izy ka naniraka ny mpanompovaviny iray haka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nidina ny zanakavavin'i Farao mba handro tao Neily; ary ny ankizivaviny nitsangatsangana teny amoron'i Neily; ary raha nahita ny fiara teo anaty zozoro ny zanakavavin'i Farao, dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy ka nampaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nidina ny zanakavavin’i Farao mba handro tao amin’ny Neily fa ny mpanompovaviny dia nitsangantsangana teny amoron’ny Neily; koa raha nahita ilay vata kely teo anaty zozoro ny zanakavavin’i Farao dia naniraka ny mpanompovaviny iray izy mba haka izany.
malagasy