Exodus 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy ilay anabavin’ny zazakely tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy hebreo va aho hankaty aminao mba hataonao mpitaiza azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izay kosa ny anabavin’ity zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe: «Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zanany io?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa niteny tamin’ny zanakavavin’ny Farao kosa ilay anabaviny nanao hoe: –Handeha hiantso vehivavy mpitaiza ho anao amin’ny vehivavy hebreo ve aho mba hitaiza ny zaza ho anao?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy ilay anabavin’ny zazakely tamin’ny zanakavavin’i Farao: Handeha haka mpitaiza amin’ny vehivavy hebreo va aho hankaty aminao mba hataonao mpitaiza azy?
malagasy
Dia hoy kosa ny anabaviny tamin'ny zanakavavin'i Farao: Handeha haka mpitaiza amin'ny vehivavy Hebreo va aho hankatỳ aminao mba hitaiza ny zaza ho anao?