Exodus 20:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandre ny kotroka sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny tselatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka ny olona rehetra, koa nony nahita izany izy ireo dia toran-kovitra sady nijanona terỳ lavitra terỳ.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny olona rehetra ny kotroka sy ny feon’ny trômpetra, hitany ny lelafo sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ka nangovitra sy nijanona teny lavitra teny izy ireo nony nahita izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Samy nandre ny kotro-baratra sy ny feon’ny anjomara ny Israelita rehetra ary samy nahita ny tsela-baratra sy ny tendrombohitra nidona-tsetroka, hany ka nangovitra noho ny tahotra ary nihataka teny lavitra teny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandre ny kotroka sy ny feon’ny anjomara ary nahita ny tselatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka ny olona rehetra, koa nony nahita izany izy ireo dia toran-kovitra sady nijanona terỳ lavitra terỳ.
malagasy