Exodus 20:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manorena ôtely tany ho ahy, ka eo amboniny no hanoloranao ny sorona doranao, ny sorom-pihavananao, ny ondrinao sy ny ombinao. Hanatona anao sy hitahy anao Aho amin’ny toerana rehetra hanaovako izay hahatsiarovana ny Anarako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.
Malagasy Bible 1865
Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Alitara tany no hataonao ho Ahy ka eo amboniny no hanoloranao ny fanatitra doranao manontolo sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman’osinao sy ny ombinao. Eo amin’ny toerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao.
malagasy