Exodus 20:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha manainga ny fandrakao eo aminy ianao dia handoto azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha manorina ôtely vato ho Ahy ianao, aza vato voapaika no arafitra, fa raha manainga ny fandrakao amin’ny vato ianao dia hahatonga azy ho tsy azo atao amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha hanao alitara vato ho Ahy ianareo, dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha mipaika azy amin’ny fandraka ianareo, dia handoto azy.
Malagasy Bible 1865
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy dia aza atao amin’ny vato voapaika; satria raha manainga ny fandrakao eo aminy ianao dia handoto azy.
malagasy
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.