Exodus 21:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha misy kosa lehilahy nanao an-kasomparana amin’ny namany hamonoany azy an-kafetsena, na mby eo amin’ny ôtely aza, tsoahy eo ka vonoy ho faty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tàhiny kosa fanahy iniana no namonoany ilay anankiray tamin’ny fitaka, dia hosamborinareo izy ka hovonoinareo ho faty na dia mandositra eo akaikin’ny alitarako aza.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy olona mivonona hamono ny namany amin’ny hafetsena dia halainao izy, na dia eo amin’ny alitarako aza, ka hovonoina ho faty.
malagasy
Ary raha misy olona avy sahisahy amin'ny namany hamono azy amin'ny fahafetsena, dia halainao izy, na dia eo amin'ny alitarako aza, mba hovonoina ho faty.