Exodus 21:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ho afa-tsiny ilay namely azy rehefa afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny alatrano ilay marary. Kanefa handoa ny onitr’ireo andro tsy niasany izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
raha manaritra ny anankiray ka afa-mitsangatsangana any ivelany miankina amin’ny tehina; nefa kosa tsy maintsy onerany ny andro tsy niasany ary hiantohany ny fitsaboana azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
raha afaka mitsangana indray ilay voa ka mandehandeha mitondra tehina, dia tsy hohelohina akory ilay namely, saingy handoa ny onitry ny andro tsy niasany sy hiantoka tanteraka ny fitsaboana azy.
Malagasy Bible 1865
raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ho afa-tsiny ilay namely azy rehefa afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny alatrano ilay marary. Kanefa handoa ny onitr’ireo andro tsy niasany izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.
malagasy
raha afa-mitsangana indray ka mandehandeha mitehina eny ala-trano izy, dia ho afa-tsiny ilay namely azy; kanefa handoa ny hevitr'andro tsy nanaovany zavatra izy sady hitsabo azy mandra-pahasitrany.