Exodus 21:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona miady ka mandratra vehivavy manana anaka ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dRavehivavy azy; handoa araka izay didy havoakan’ny mpitsara izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy olona miady ary mandona vehivavy bevohoka, ka teraka azon’izany ravehivavy nefa tsy maninon-tsy maninona izy, dia izay onitra ilain’ny vadiny sy didian’ny mpitsara haloa ihany no ho sazin’ilay diso.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mety misy olona miady ka mahadona vehivavy bevohòka ary mahatonga azy ho teraka zaza tsy tonga volana; raha tsy misy fahavoazana loatra ilay vehivavy, dia haloan’ilay meloka ny onitra izay takîn’ny tompom-bady araka ny fanelanelanana nataon’ny mpitsara.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy olona mifanditra ka mandratra vehivavy manan'anaka, ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan'ny vadin-dravehivavy azy; ary handoa araka izay handidian'ny mpitsara izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona miady ka mandratra vehivavy manana anaka ka teraka tsy tonga volana ny zanany, kanefa tsy misy maninona, dia hosazina tokoa ilay olona araka izay hanaovan’ny vadin-dRavehivavy azy; handoa araka izay didy havoakan’ny mpitsara izy.
malagasy