Exodus 21:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha misy olona mikapoka ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy dia homeny fahafahana izy noho ny masony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy olona mamely ny mason’ny ankizilahiny na ny ankizivaviny, ka mahajamba ny masony, dia halefany ho afaka izy ho onitry ny masony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona mikapoka ny mpanompolahiny na ny mpanompovaviny ka mahapotsitra ny masony, dia hanome fahafahana ho an’ilay mpanompony izy ho onitry ny masony.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha misy olona mikapoka ny mason’ny andevolahiny na ny mason’ny andevovaviny ka mahasimba azy dia homeny fahafahana izy noho ny masony.
malagasy
Ary raha misy olona mamely ny mason'ny andevolahiny na ny mason'ny andevovaviny ka mahasimba azy, dia halefany ho afaka izy noho ny masony.