Exodus 21:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby ary ny tompony koa dia hovonoina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha omby efa nanoto hatramin’ny ela anefa sady efa nilazana izany ny tompony, nefa tsy mitandrina azy, dia hotoraham-bato ny omby, raha mahafaty lehilahy na vehivavy, ary atao maty koa ny tompony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, raha tàhiny efa zatra manoto ilay ombilahy ary efa nampandrenesina ny tompony fa tsy nanara-maso azy, ka nahafaty lehilahy iray na vehivavy iray, dia hotoraham-bato ho faty ilay ombilahy ary hovonoina ho faty koa ny tompony.
Malagasy Bible 1865
Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin'ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy, koa nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby, ary ny tompony koa hovonoina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha omby efa zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, sady efa nambara tamin’ny tompony izany, nefa izy no tsy niaro azy ka nahafaty lehilahy na vehivavy ny omby, dia hotoraham-bato ny omby ary ny tompony koa dia hovonoina.
malagasy