Exodus 21:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha fantatra anefa fa efa mpanoto hatramin’ny ela ilay omby fa tsy nitandrina azy ihany ny tompony, dia hanonitra izy, hoefainy omby ny omby, fa ny omby maty no ho azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa kosa, raha tàhiny efa fantatra fa zatra manoto ilay ombilahy kanefa tsy nanara-maso azy ny tompony, dia hanome ombilahy velona ho solony izy, fa ilay maty kosa no ho azy.
Malagasy Bible 1865
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy. Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin’ny teo aloha iny, saingy tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon’ny omby tokoa izy, fa ilay maty kosa dia ho azy.
malagasy
Kanefa raha fantatra fa omby zatra nanoto hatramin'ny teo aloha iny, koa tsy niaro azy ny tompony, dia hanonitra omby ho solon'ny omby tokoa izy; ary ny maty dia ho azy.Raha misy olona mangalatra omby, na ondry, na osy, ka mamono azy, na mivarotra azy, dia hanonitra omby dimy ho solon'ny omby iray izy ary ondry na osy efatra ho solon'ny ondry na osy iray.