Exodus 21:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hoentin’ny tompony ho eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary hoentiny ho eo amin’ny varavarana na ho eo amin’ny tolanam-baravarana ka hotevehin’ny tompony amin’ny fanjaibe ny sofiny, dia hanompo azy mandrakizay izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ho entin’ny tompony eo anatrehan’Andriamanitra izy ka hasainy miolotra ny varavarana na ny tolàm-baravarana, ary hotevehiny amin’ny haolo ny sofiny, dia ho mpanompony hanompo azy mandrakizay izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hataon’ny tompony vavolombelona Andriamanitra; hankininy amin’ny varavarana na tolam-baravarana ilay rangahy, ka hotevehiny amin’ny fanjaibe ny sofiny, ary dia ho mpanompony raikitra izy.
Malagasy Bible 1865
dia ho entin'ny tompony ho eo anatrehan'Andriamanitra izy, ary dia ho entiny ho eo amin'ny varavarana, na ho eo amin'ny tolam-baravarana, ka hotevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny; dia hanompo azy mandrakizay izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hoentin’ny tompony ho eo anatrehan’Andriamanitra izy, ary hoentiny ho eo amin’ny varavarana na ho eo amin’ny tolanam-baravarana ka hotevehin’ny tompony amin’ny fanjaibe ny sofiny, dia hanompo azy mandrakizay izy.
malagasy