Exodus 21:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy anefa mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo dia tsy mba ho tahaka ny fialan’ny andevolahy ho afaka no fialany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy lehilahy mivaro-janaka vavy ho mpanompon’olona dia tsy mba ho toy ny andevolahy ny fahafahany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona mivarotra ny zanany vavy ho mpanompovavy, dia tsy ho afaka araka ny fepetra momba ny mpanompolahy io mpanompovavy io.
Malagasy Bible 1865
Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy anefa mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo dia tsy mba ho tahaka ny fialan’ny andevolahy ho afaka no fialany.
malagasy
Ary raha misy mivaro-janakavavy ho vaditsindranon'olona, dia tsy mba ho tahaka ny fialan'ny andevolahy ho afaka no fialany.