Exodus 21:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa raha ilay tompony izay nihevitra azy ho an’ny tenany no tsy tia azy dia havelany havotana izy; fa tsy ho azony amidy amin’olon-kafa nony efa nivadihany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny novidin’ny tompony mba ho vadikeliny izy kanefa tsy ankasitrahîn’ny tompony, dia havelany havotan’ny rainy: tsy manana zo hivarotra azy amin’ny hafa firenena kosa anefa ilay tompony fa famadihana azy izany.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy ankasitrahan’ny tompony izay efa nikasa hanambady azy Ravehivavy dia havelany havotana ihany izy; kanefa tsy mahazo mivarotra azy ho any amin’ny firenena hafa izy satria efa namitaka azy.
malagasy
Fa raha tsy ankasitrahan'ny tompony, izay nikasa hanambady azy, ravehivavy, dia havelany havotana ihany izy; tsy hahazo mivarotra azy ho any amin'ny firenena hafa izy, satria efa namitaka azy.