Exodus 22:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia fianianana amin’NY TOMPO no hitsarana azy roa tonta, mba hahafantarana na efa nanatsotra ny tanany ka naka ny fananan’ny namany ilay iray na tsia; ary heken’ny tompony izany fa tsy hisy onitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy olona manome omby na ondry na biby hafa anankiray hotahirizin’ny namany, ka maty ilay biby na tapaka, na misy naka nefa tsy nisy nahita,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tsy maintsy mianiana amin’ny anaran’ny TOMPO ilay olona fa tsy naka ny zavatry ny namany. Hanaiky izany fianianana izany kosa ilay tompom-biby ary tsy hisy onitra hefain’ilay namany.
Malagasy Bible 1865
dia fianianana amin'i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan'ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken'ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia fianianana amin’NY TOMPO no hitsarana azy roa tonta, mba hahafantarana na efa nanatsotra ny tanany ka naka ny fananan’ny namany ilay iray na tsia; ary heken’ny tompony izany fa tsy hisy onitra.
malagasy