Exodus 22:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy olona mampitondraka amin’ny voly na amin’ny tanim-boaloboka, satria nalefany nandeha ny bibiny dia nihinana ny volin’olona, dia amin’izay tsara indrindra ao amin’ny sahany, ary amin’izay tsara indrindra ao amin’ny tanim-boalobony no hanonerany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary raha mbola tratra velona eo an-tanany izay nangalariny, na omby na ampondra na ondry, dia honerany avo sasaka».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona mampitondraka ny bibiny amin’ny voly na ny tanimboaloboky ny hafa ka manimba izany, dia izay tsara indrindra amin’ny vokatry ny sahany sy ny tanimboalobony no homeny ho onitra.
Malagasy Bible 1865
Raha misy olona mampitondraka amin'ny voly na tanim-boaloboka, fa alefany handeha ny bibiny, ka homana ny volin'olona izany biby izany, dia amin'ny tsara indrindra ao amin'ny sahany, ary amin'ny tsara indrindra ao amin'ny tanim-boalobony, no hanonerany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy olona mampitondraka amin’ny voly na amin’ny tanim-boaloboka, satria nalefany nandeha ny bibiny dia nihinana ny volin’olona, dia amin’izay tsara indrindra ao amin’ny sahany, ary amin’izay tsara indrindra ao amin’ny tanim-boalobony no hanonerany.
malagasy