Exodus 22:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Raha misy olona manimba voly na tanimboaloboka, fa nampitondraka ny bibiny tamin’ny sahan’olona dia honerany izany amin’izay tsara indrindra amin’ny voliny sy amin’izay tsara indrindra amin’ny tanimboalobony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy olona mandoro lobolobo misy tsilo ka mitatra amin’ny antontam-bary na vary hojinjana na tanimboly ny afo, dia tsy maintsy hanonitra ny may ilay nandoro.
Malagasy Bible 1865
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo ary may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.
malagasy
Raha misy afo mirehitra ka mahazo ny tsilo, ka may ny antontam-bary, na ny vary maniry, na ny saha, dia hanonitra tokoa izay nampirehitra ny afo.