Exodus 23:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nampanaoviko anao amin’ny fotoanandro amin’ny volana Abiba, fa tamin’izany no nivoahanao avy tany Ejipta; ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo eo anatrehako, tsy mitondra fanatitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitandrina ny fetin’ny Azima ianao; mandritra ny hafitoana dia hihinana mofo tsy misy lalivay ianao araka ny nandidiako anao, amin’ny fotoam-boafetra amin’ny volana abiba, fa tamin’io volana io no nivoahanao tany Ejipta; ka aza miseho eo anatrehako tsy mitondra fanatitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.
Malagasy Bible 1865
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nampanaoviko anao amin’ny fotoanandro amin’ny volana Abiba*, fa tamin’izany no nivoahanao avy tany Ejipta; ary aoka tsy hisy hiseho amin’ny tanam-polo eo anatrehako, tsy mitondra fanatitra.
malagasy
Tandremo ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'izany no nivoahanao avy tany Egypta; ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.