Exodus 23:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Tsy haterinao miaraka amin’ny mofo misy lalivay ny ran’ny sorona atao amiko; ary tsy hotahirizina ho tra-maraina ny menaka momba ny fetiko.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy.
Malagasy Bible 1865
Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny saboran'ny zavatra vonoina amin'ny andro firavoravoana ho Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza manolotra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao raha mbola misy masirasira ao aminao; aza avela ho tra-maraina ny jaboran’ny zavatra vonoina amin’ny andro firavoravoana ho Ahy.
malagasy