Exodus 23:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataoko hatrany amin’ny Ranomasina Mena ka hatrany amin’ny Ranomasin’ny Filistina ny sisin’ny taninao, ary hatrany amin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hanolotra ny mponina amin’ny tany ho eo an-tananareo Aho ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no hataoko faritaninao: hatramin’ny Ranomasina Mena ka hatramin’ny ranomasin’ny Filistinina, ary hatramin’ny efitra ka hatramin’ny ony, satria hatolotro eo an-tananao ny mponina amin’ny tany ka horoahinao hiala eo anoloanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny faritaninareo dia hataoko mahafaoka hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ka hatrany amin’ny ranomasina Mediteranea, ary hatreo amin’ny taniefitr’i Sinay ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hatolotro ho eo an-tananareo ny mponina amin’ireo faritany ireo ka horoahinareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tananareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hataoko hatrany amin’ny Ranomasina Mena ka hatrany amin’ny Ranomasin’ny Filistina ny sisin’ny taninao, ary hatrany amin’ny tany efitra ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hanolotra ny mponina amin’ny tany ho eo an-tananareo Aho ary handroaka azy eo alohanao ianao.
malagasy