Exodus 23:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha hitanao mihonaka ao ambanin’ny entany ny ampondran’izay mankahala anao, dia aza ilaozanao izy, fa miraisa hina aminy hanala ny entany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin’ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny.
Malagasy Bible 1865
Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha hitanao lavo voatsindrin’ny entana ny borikin’izay mankahala anao dia aza malaina hamonjy azy fa ampionao izy hamaha izany.
malagasy
Raha hitanao ny borikin'izay mankahala anao mihonaka ao ambanin'ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.