Exodus 24:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy Izy tamin’i Mosesy: Miakara any amin’NY TOMPO ianao sy i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ka miankohofa eny lavitra eny ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amin’i Iaveh ianao sy i Aarôna, i Nadaba sy i Abiò, ary loholona fitopolo amin’i Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy Izy tamin’i Mosesy: Miakara any amin’NY TOMPO ianao sy i Arona, i Nadaba, i Abiho ary fitopolo lahy amin’ny loholon’ny Israely ka miankohofa eny lavitra eny ianareo.
malagasy
[Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny Isiraely an'Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;