Exodus 24:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nahita ny Andriamanitry ny Israely izy ireo; ny teo ambanin’ny tongony dia toy ny fanganohanon’ny safira vita rarivato, toy ny lanitra mihitsy ny famirapiratany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra.
Malagasy Bible 1865
Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nahita ny Andriamanitry ny Israely izy ireo; ny teo ambanin’ny tongony dia toy ny fanganohanon’ny safira vita rarivato, toy ny lanitra mihitsy ny famirapiratany.
malagasy
Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.