Exodus 24:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy tamin’ny loholona: Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Indro i Arona sy i Hora dia eto aminareo; koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roalahy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy izy tamin’ireo loholona: «Andraso eto izahay mandra-piverinay atỳ aminareo. Ary indreo i Aarôna sy i Hora eto aminareo, ka raha misy manana ady dia aoka hanatona azy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
rehefa avy nilaza tamin’ny loholona hoe: «Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharôna sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatòna azy roa lahy.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy tamin’ny loholona: Andraso eto izahay mandra-piverinay eto aminareo. Indro i Arona sy i Hora dia eto aminareo; koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’izy roalahy izy.
malagasy
Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.