Exodus 24:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny voninahitry NY TOMPO nitoetra teo ambonin’ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona dia nanarona azy henemana. Fa tamin’ny andro fahafito Izy no niantso an’i Mosesy teo afovoan’ny rahona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitr’i Iaveh ka saron’ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin’ny andro fahafito dia nantsoin’i Iaveh i Môizy, tao anatin’ny rahona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin’ny andro fahafito dia niantso an’i Mosesy tao afovoan’io rahona io Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny voninahitry NY TOMPO nitoetra teo ambonin’ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona dia nanarona azy henemana. Fa tamin’ny andro fahafito Izy no niantso an’i Mosesy teo afovoan’ny rahona.
malagasy
Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.