Exodus 24:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tahaka ny afo mandevona no fijery ny voninahitry NY TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra teo imason’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny afo midedadeda teo antampon-tendrombohitra no fisehon’ny voninahitr’i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny afo mandevona no fahitàn’ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tahaka ny afo mandevona no fijery ny voninahitry NY TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra teo imason’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.