Exodus 24:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia tonga nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO sy ny fitsipika rehetra i Mosesy. Ary niara-niredona namaly ny olona rehetra hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.
Malagasy Bible 1865
Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehovah dia hataonay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia tonga nanambara tamin’ny olona ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO sy ny fitsipika rehetra i Mosesy. Ary niara-niredona namaly ny olona rehetra hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’NY TOMPO dia hotanterahinay.
malagasy