Exodus 24:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO i Mosesy, dia nifoha vao maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra sy tsangambato roa amby folo, araka ireo fokon’ny Israely roa amby folo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nosoratan’i Môizy avokoa ny tenin’i Iaveh. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina ôtely teo ampototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin’ny folo ho an’ny fokon’i Israely roa ambin’ny folo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanoratra ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO i Mosesy, dia nifoha vao maraina izy ka nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra sy tsangambato roa amby folo, araka ireo fokon’ny Israely roa amby folo.
malagasy