Exodus 25:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mandrendreha mason-drojo volamena efatra hatao aminy ka ataovy eo amin’ny zorony efatra, koa mason-drojo volamena roa eo amin’ny lafiny iray ary mason-drojo volamena roa eo amin’ny lafiny iray hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy ianao, hapetaka amin’ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haba volamena efatra no hotefena ka haraikitra eo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.
Malagasy Bible 1865
Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary mandrendreha vava volamena efatra hatao aminy, ka ataovy eo amin'ny tongony efatra; dia vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray, ary vava volamena roa eo amin'ny lafiny iray koa.