Exodus 25:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eo no hihaona aminao Aho ka avy eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, eo anelanelan’ny kerobima roa izay eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona; eo no hambarako anao izay rehetra hampanaoviko holazainao amin’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa eo no hihaonako aminao; ary eo ambonin’ny fanaovam-panavotana, anelanelan’ny kerobima roa, izay ao ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, no hampandrenesako anao ny didy rehetra homeko anao ho an’ny zanak’i Israely.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan'ny kerobima roa, izay eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin'ny Zanak'Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eo no hihaona aminao Aho ka avy eo ambonin’ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, eo anelanelan’ny kerobima roa izay eo ambonin’ny vata misy ny Vavolombelona; eo no hambarako anao izay rehetra hampanaoviko holazainao amin’ny Zanak’Israely.
malagasy