Exodus 25:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ataovy ny loviany sy ny loviany kely ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no hanaovanao ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hataonao ny loviany, ny vata kely fitoeran-java-manitra, ny kôpy aman-tasiny hanaovana ny fanatitra araraka; ka volamena madio no hanaovanao izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hamboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay, ka samy hatao amin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ataovy ny loviany sy ny loviany kely ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fandrarahana fanatitra; volamena tsy miharo no hanaovanao ireo.
malagasy
Ary manaova ny loviany sy ny lovia keliny ary ny fitoeran-divainy sy ny kapoakany ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no hanaovanao ireo.