Exodus 25:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy ary bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy; izany hoe amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisy bokony iray eo ambanin’ny rantsana roa voalohany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa manarakaraka, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, ary bokony iray koa eo ambanin’ny rantsany roa farany, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro, araka ny rantsany enina, avy amin’ny tahom-panaovan-jiro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary eo ambanin’ny rantsana enina izay miainga avy amin’ny tahobeny dia hisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.
Malagasy Bible 1865
dia kiboriny iray eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray koa eo ambanin'ny sampany roa sady miray aminy; dia amin'ny sampany enina izay miray amin'ny fanaovan-jiro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
bokony iray no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy, bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy ary bokony iray koa no eo ambanin’ny rantsany roa sady miray aminy; izany hoe amin’ny rantsany enina izay miray amin’ny fitoeran-jiro.
malagasy