Exodus 26:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny tabernakely* dia hataonao ambainy folo amin’ny lamba rongony fotsy madinika voahasina, lamba manga, volomparasy, jaky; kerobima*, asan’ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.
malagasy
Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.