Exodus 26:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manaova koa rakotra ho an’ny lay, ataovy amin’ny hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ary manaova sarony amin’ny hoditra trozona ho eo amboniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Hanao rakony hoditr’ondralahy voasoka mena ianao hatao amin’ny lay, ary rakony hodi-dogaona koa eo ambonin’io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mba hiarovana ny lay faharoa, dia hoditr’ondrilahy miloko mena sy sarona vita amin’ny hoditra mafy no harakotra eo amboniny.
Malagasy Bible 1865
Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manaova koa rakotra ho an’ny lay, ataovy amin’ny hoditr’ondrilahy efa voaloko mena, ary manaova sarony amin’ny hoditra trozona ho eo amboniny.
malagasy
Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.