Exodus 26:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hakambana ho iray hatrany ambany izy ka hiray tsara hatrany an-tampony, eo amin’ny mason-drojo tokana; ho toy izany avokoa izy roa izay ho eo amin’ny zorony roa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hikambana tsiroaroa hatrany ambany ireo, ka hatao miray tsara hatrany ambony amin’ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin’ny zorony roa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalàna eo amin’ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin’ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin’ny zorony.
Malagasy Bible 1865
Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hakambana ho iray hatrany ambany izy ka hiray tsara hatrany an-tampony, eo amin’ny mason-drojo tokana; ho toy izany avokoa izy roa izay ho eo amin’ny zorony roa.
malagasy
Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany.