Exodus 26:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ahantòny amin’ny andry hazo akasià efatra, samy voapetaka takela-bolamena sy misy faraingo volamena ary miorina amin’ny faladia volafotsy efatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.
Malagasy Bible 1865
Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ahantòny amin’ny andry hazo akasia efatra izay voapetaka takelaka volamena izany; ho volamena koa ny fihantonany, ary eo amin’ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.
malagasy
Ary ahantòny amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.