Exodus 26:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Apetaho eo ambonin’ny jaigirafy ny efitra lamba, ka dia ao indrindra no hampidiranao ny fiaran’ny vavolombelona ao ivohon’ny efitra lamba; fa ny efitra lamba no hampisaraka eo imasonareo ny Fitoerana Masina sy ny Fitoerana Masina indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ireo farango. Dia ampidiro ao anatin’ny efitra lamba ny vata misy ny Vavolombelona; ary ho anareo dia ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra.
malagasy